Natolotra androany ny Contrat de Travail, handraisana ho mpiasam-panjakana raikitra ireo mpampianatra FRAM miisa 350 eto anivon’ny Faritra.
Izany dia ho fanatanterahan’ny Filoham-pirenena ny fampanantenana nataony momba ny handraisana ho mpiasam-panjakana ireo mpampianatra FRAM manerana ny Nosy, ho fanalana fahasahiranana ireo ray aman-drenin’ny Mpianatra ary indrindra ho fitsinjovana ny fanatsarana ny tontolon’ny fanabeazana.
Notanterahina tao amin’ny Lapan’ny Faritra ny fanolorana izany Contrat de travail izany ka ny Goverinoram-paritra sy ny Prefet-n’I Fianarantsoa , ny Ben’ny Tanànan’ny CU Fianarantsoa, ny solotenan’ireo Parlemantera ary ny Talem-paritry ny fanabeazam-pirenena no nanolotra izany niaraka tamin’ny solotenan’ny Minisitry ny fampianarana.
Maro tamin’ireto mpampianatra ireto no efa mpampianatra FRAM nandritra ny folo taona mahery, ka ho setrin’ny fisaorana ny Filoham-pirenena ny amin’izao nandraisana azy ireo izao dia naneho fahavononana izy ireo mba ho modely eo amin’ny asa sy ny fitondran-tena, mivoatra ho amin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana ary hikaroka hatrany ny tsara kokoa ka hitondra fampandrosoana hoan’ny fiaraha-monina,ny Commune, ny Faritra ary ny Firenena.