FANABEAZANA HOAN’NY REHETRA

Velirano faha4 #MEN#ProgrammePAEB

Tsy diso anjara amin’ny vinam-pampandrosoana ny lafin’ny Fampianarana ny Faritra Mahatsiatra Ambony. EPP miisa 2 ao Sahamena sy Soaindrana, Distrika Vohibato, ao anatin’ireo 40 isa aorina ao Vohibato sy Ikalamavony, no notokanana androany; Nozaraina aron’akanjo,kapa,kitapo,kahie, boky ireo mpianatra. Fampandrosoana isitrahana sy andraisan’ny rehetra anjara no tanjona ao anatin’ny fitsinjaram-pahefana tena izy ka nomena fizakan-tena ireo fokonolona eny ifotony nitantana ny tetibola nanorenana ireo EPP ireo ary napetraka amin’izy ireo ihany koa izany fitantanana ny Fotodrafitr’asa izany.

Nisy ihany koa fitsidihana ny CNFP Mahazengy sy ny ny fanjohiana ny fanorenana ny EPP manara-penitra eny Mahamanina CISO Fianarantsoa I, ary arakan ny hita teny an-toerana dia efa andalam-pahavitana ihany koa izany EPP Manara-penitra izany.

NY FIANARANA NO LOVA TSARA INDRINDRA.

Share

Laisser un commentaire

Retour en haut