Fankalazana ny Andro maneran-tany hoan’ny Rano

𝓗𝓐𝓡𝓔𝓝𝓐 𝓢𝓐𝓡𝓞𝓑𝓘𝓓𝓨 𝓝𝓨 𝓡𝓐𝓝𝓞

Fotodrafitr’asa maro no napetraka sy mbola hapetraka manerana ny Faritra Mahatsiatra Ambony,tanterahina ao anatin’ny Politikam-panjakana.

Rano fisotro madio hoan’ny rehetra, iarahan’ny Faritra Mahatsiatra Ambony misalahy amin’ny Minisiteran’ny Rano, tohanan’ireo mpiara-miombon’antoka ka mitana anjara toerana lehibe amin’izany ny Fandaharan’asa Eaurizon/Grand Lyon.Ilàna fanaraha-maso sy fomba fiasa mahomby ny hampaharitra izany ka nisy ny atrik’asa nanaovana tatitra mahakasika ny fitantanana rano eto amin’ny Faritra.

Nanatrika izany ireo avy amin’ny rafim-pitantanana rano isaky ny Kaominina, ary nivondrona nitarika izany ny Minisiteran’ny Rano,ny Faritra Mahatsiatra Ambony,ny Fandaharan’asa Eaurizon,ny Rano Wash,VOZAMA,FIVOY,ONG Ny Tanintsika izay mpisehatra amin’ny Rano, ny fanadiovana sy ny fidiovana. Notolorana marim-pankasitrahana ireo mpitantana eny ifotony nahitam-pahombiazana ary hohatsaraina kosa ny fomba fiasa hoan’ireo izay nahitana olana. Mitohy kosa ny ezaka hampidirana rano fisotro madio hoan’ireo Kaominina mbola tsy misitraka izany,rano fisotro madio hoan’ny rehetra no tanjona.

Share

Laisser un commentaire

Retour en haut