COOPERATION DECENTRALISEE REGION.HM/MÉTROPOLE_DE_LYON
Rano fisotro madio hoan’ny rehetra.#ProgrammeEaurizon/GrandLyon #JME
Paompin-drano miisa 14 indray no napetraka ao anatin’ny Fokontany 8 sy Sekoly 4 ato amin’ny amin’ny CU Fianarantsoa. Matotra ny fiaraha-miasa eo amin’ny Faritra Mahatsiatra Ambony sy ny Métropole de Lyon ao anatin’ny Programan’asa Eaurizon/GrandLyon. Tanjona ny hanatanterahana ny Vina rano fisotro madio hoan’ny rehetra, fanadiovana sy fidiovana manakaiky vahoaka izay tena mitana anjara toerana lehibe amin’izao fiatrehana ny valan’aretina covid-19 izao
Kaominina miisa 21 ao anatin’ny Distrika manerana ny Faritra no miara-miasa amin’ny Fandaharan’asa Eaurizon ka misitraka ny fampidirana rano fisotro madio, ny fikajiana ny sahan-driaka, ny fidiovana sy ny fanadiovana.Tanjona ny hanintarana ny sehatra iasan’ny Fandaharan’asa EAURIZON sy ny hampitomboana ny isan’ireo Kaominina mpiara-miasa sy mpisitraka izany.
MAHATSIATRA AMBONY MANDROSO NO TANJONA.