Atao izay hisitrahan’ny isan-tokantrano ny fampiasana ny sira misy Iôda sy hanafoanana ny fanaparitahana ireo sira tsy manaraka ny fenitra ara-pahasalamana. Io no nivoitra nandritra ny atrik’asa notarihin’ny DRSP Mahatsiatra Ambony, tamin’ity androany ity. Anisan’ny zava-dehibe amin’ny fahasalam-bahoaka ka raisin’ny Fanjakana an-tànana ny Fanatanterahana izany amin’ny alalan’ny I-Team, izay rafitra natao hifehy ny fanapariahana ny fampiasana ny sira misy Iôda, tarihin’ny eo anivon’ny Minisiteran’ny Fahasalamana.
Vosolotena ao anatin’izany ny Faritra, ny Sampandraharaha misahana ny Fahasalamana(DRSP),ny Varotra,ny Serasera,ny Polisy sy ny Znadary,ny ORN,ny UNICEF, ny Solotenan’ny mpamokatra sira, ny Solotenan’ny Fikambanana miaro ny Zon’ny mpanjifa.
Hisy ny fanamafisana ireo Fepetra efa noraisina ka Tafiditra ao anatin’izany ny fanaraha-maso ny fitanterana, ny tsena; hisy ihany koa ny fanentanana maro isan-karazany, sy ireo fepetra maro hafa mifandraika amin’izany satria mendrika hisitraka sakafo ara-pahasalamana ny vahoaka, indrindra manoloana ny ady amin’ny valan’aretina covid-19