FITSIDIHANA SY FITOKANANA NY TSENA SY GALERIE COMMERCIALE O’MATSIATRA, CTC-19 ARY NY LOHAMASININA SY WAGON

Araka ny nambaran’Andriamatoa Filoham-pirenena tamin’ny kabariny ny Alahady lasa teo dia tonga nitsidika sy nitokana ny CTC-19 Andrainjato izy niaraka tamin’ny Minisitry ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, ny Loholona voafidy tato amin’ny Faritanin’i Fianarantsoa, sy ireo delegasiona niaraka taminy, ka nandray azy ireo tamin’ny fomba ofisialy teto ireo manam-pahefana sivily sy miaramila izay notarihin’Andriamatoa Governoran’ny Faritra Mahatsiatra Ambony, niaraka tamin’ireo Solombavambahoaka voafidy teto amin’ny Faritra Mahatsiatra Ambony

Nandritra izany dia nanolorany Bouteilles d’Oxygene miisa 100, Concentrateur d’oxygène miisa 90, CVO+ gélule ho an’ny mpiasan’ny fahasalamana rehetra, nomena prime exceptionnelle ihany koa ireo rehetra misehatra amin’ny ady atao amin’ny Covid-19 eo anivon’ny tobim-pitsaboana mandray mivantana ny olona marary, nanolotra ihany koa Tohan’aina ho fanampintsakafo.

Tamin’izany ihany koa no nitokanany ny Galerie Commercial O’Matsiatra tao amin’ny Somacodis Taloha, izay vola avy amin’ny fitondram-panjakana madiodio no nanamboarana izany. Mizara 2 ity tsena ity ka ny iray tantanan’ny Kaominina, ary ny iray tantanan’ny Faritra Mahatsiatra Ambony mivantana ka ny vola azo avy amin’izany no hoentina hampihodinana ireo milina nomen’ny fanjakana ho fanamboarana ny làlana ato anatin’ny Faritra. Misy ny zavatra rehetra izay ilaina ato amin’ity tsena ity eny fa hatramin’ny toeram-pivarotan’anana hatramin’ny fitaovana ara-teknolojia. Izao tetik’asa izao dia Tafiditra ao anatin’ny Velirano faha 12 ‘ny Filoham-pirenena.

Rehefa izany dia nitokana ireo Wagon sy lohamasinina 3 izay hoentina hamelona indray ny Zotran-dàlambÿ FCE izay mampitohy ny Faritra Mahatsiatra Ambony sy Vatovavy Fitovinany rehefa tsy Nandeha nandritra ny fotoana maromaro.

Share

Laisser un commentaire

Retour en haut