TATITRY NY FIVORIAN’NY OMC FANAMAFISANA IREO FEPETRA ANKAPOBENY HO FITANDROVANA NY FAHASALAMAM-BAHOAKA AO ANATIN’NY ADY AMIN’NY COVID-19 ETO AMIN’NY FARITRA MAHATSIATRA AMBONY.
ANDININY VOALOHANY- Mbola mitohy ny fe-potoana ny hamehana ara-pahasalamana mandritra ny 15 andro ato anatin’ny Faritra MATSIATRA AMBONY.
AND.2- Mitohy ny fanajana ireo fepetra ara-pahasalamana sy ara-pidiovana rehetra ho fisorohana ny fiparitahan’ny tsimok’aretina COVID-19.-Tsy maintsy mitondra arovava orona ireo olona mivoaka ny trano;-Apetraka isaky ny Birao, ny toeram-pianarana; ny trano fivavahana , ireo toeram-pivarotana , ny trano fandraisam-bahiny ireo fitaovana fanasan-tanana amin’ny savony .
AND.3- mitohy ny hetsika fanaovana vaksiny isaky ny Distrika fito ;
AND 4- mikasika ny fivezivezen’ny olona dia : – mbola mihatra ny tsy fahafahana mivoaka ny trano ( couvre-feu) manomboka amin’ny iraika ambiny folo (11) ora alina ka hatramin’ny efatra ( 04) ora maraina, mandritra ny dimy ambin’ny folo (15) andro . -tsy mbola azo atao ny mamory olona mihoatra ny ZATO ( 100 ) anaty toeram-pivoriana na eny ankalamanjana;-mahazo misokatra kosa ny toeram-pivavahahana , saingy manaja tanteraka ny elanelana sy ireo fepetra ara-pahasalamana sy ara-pidiovana rehetra;
AND.5- Fepetra momba ny fitondrana na fandevenana ny maty,-Raha toa ka voamarina fa matin’ny aretina covid-19 ilay olona, dia tsy azo atao ny mitondra ny razana mivoaka ny faritra ary tanterahina ny andron’iny ihany ny fandevenana, -Raha nahazo taratasy avy amin’ny Mpitsabo fa tsy matin’ny COVID-19 ilay olona, dia azon’ny fianakaviana atao ny fitondrana sy fandevenana ny razana mivoaka ny Faritra Matsiatra Ambony;
AND 6- mikasika ny fampianarana dia hiverina hianatra ireo kilasy rehetra manomboka ny 02 jona 2021,-misokatra koa ny fampianarana eny amin’ireo Sekoly Ambony na ny Anjeri-manontolo rehetra.
AND 7- Mikasika ny fitateram-bahoaka, dia hisokatra manomboka ny zoma 04 jona 2021 ireo Zotra Nationaly na rezionaly mpitantitra olona ;Ny ATT no mandamina sy manara-maso ny fampiharana ireo fepetra eny amin’ny toby fiantsonan’ny fiaram-pitanterana, toy ny fitondrana aro-vava (cache bouche) ho an’ny Mpamily fiara sy ireo Mpandeha , sy fanadiovana matetika ireo FIARA sy guichet, ny fanajana ny isan’ny mpandeha, ny fitazomana ny saran-dalana;
AND 8- mikasika ny varotra sy Tsena: -Mbola mikatona ny cabaret sy Boite de Nuit, ny BAR/karaoke, ny trano fanaovana lanonana rehetra;- Misokatra ny tsenam-pokontany manomboka amin’ny 06 ora maraina ka hatramin’ny 06 ora hariva,-Misokatra amin’ny ampahany ireo toeram-pisakafoanana sy fandraisam-bahiny,-Ny kaominina no mandray fepetra ho fanaraha-maso ny fandaminana sy fanadiovana ny Tsena sy ireo toerana fivezivezen’ny olona.
AND 9- Mahakasika ny asa, dia mitohy ny asam-panjakana sy ny asa tsy miankina amin’ny Fanjakana. Afaka tsy miasa kosa ireo mpiasa marefo na marary ny covid19, ary mandray ireo fepetra tandrify ny lehibe isan-tsokajiny ( ohatra; mpiandry raharaha,,fanondrahana fanafody ny birao)
AND 10 – Hisy ny fampiharana ny sazy ho an’izay tsy manaraka ny voalazan’ity Didy ity. Saziana mandritra ny 30 minitra ireo olona tsy mitondra aro-vava orona mba hanadio lalam-bahoaka, na tatatra sy lakan-drano, na fanamboarana zaridaina, na fanadiovana birao sy toeram-pivoahana, na tsenam-pokontany.
AND 11 – Andraikitry ny Lehiben’ny Distrika, ny Talem-paritra voakasika, ny Ben’ny Tanàna, ny Mpitandro Filaminana, ny Lehiben’ny Boribori-tany ary ireo Komitim-pokontany rehetra no manara-maso ny fampiharana izao Didy izao.
AND 12 – Ity didim-pitondrana ity dia ho raketina sy hampitaina amin’izay rehetra mety ilàna azy.