Asa lehibe no ho tanterahina ka ilàna ny fametrahana lamina maty paika ara-tekinika.
Nivory mahakasika ny lafiny fitantanana ireo fitaovana lehibe avy amin’ny Fitondram-panjakana ny eto anivon’ny Faritra.
Nandray anjara tamin’izany ny tompon’Andraikitry ny Orin’asa Henri Fraise izay mpiara-miombon’antoka tamin’ny Fampiofanana ireo mpamily, ny Goverinora sy ireo Tekinisianina mpiara-miasa aminy, ny Tompon’andraikitra avy ao amin’ny Minisiteran’ny Asa vaventy ary ny soloten’ireo mpamily.
Tanjona ny hanatanterahana asa hitondra fahombiazana hoan’ny lafiny ara-toekarena sy ara-tsosialy hoan’ny vahoakan’ny Faritra Mahatsiatra Ambony.