Tontosa androany tao amin’ny SEMIPI Beravina ny lanonana fanolorana mariboninahitra sy fampakarana laharam-boninahitra ho an’ireo miaramila ato amin’ny Faritany miaramila faha2.
Ny lanonana dia teo ambany fiahian’ny Jeneraly Kaomandin’ny Faritany miaramila faha2,notronin’ireo manamboninahitra sivily sy miaramila .
Nisolo-tena ny Goverinoran’ny Faritra Mahatsiatra Ambony Atoa Onitahina Andriamboavonjy ,Sekiretera jeneralin’ny Faritra.
Miaramila miisa 84 no nahazo ny fampiakarana laharam-boninahitra ka ny roa tamin’ireo dia notolorana ny Officier de l’ordre nationale, ny roa notolorana ny Chevalier de l’ordre nationale ary ny telo notolorana ny Officier de l’ordre de mérite.
Anisan’ny fiainan’ny miaramila ,hoy Atoa Jeneraly Kaomandin’ny RM2,ny fahazahoana galona satria misy fiantraikany lehibe amin’ny asany sy ny fiainam-pianakaviany ,ka mendrika hisaorana ny Fanjakana foibe ny amin’ny nahafahana nanatontosa izao lanonana izao.
Ny firariana, hoy izy, dia ny mba ho miaramila mendrika hatrany amin’ny fitondran-tena sy eo amin’ny fanatanterahana ny adidiny eo amin’ny firahamonina na ireo nahazo ny mariboninahitra androany na ireo izay tsy nahazo izany ka hiombon’ezaka ho amin’ny tsara hatrany.