Tontosa soa amantsara tamin’ity androany ity ny famindram-pitantanana teo amin-dRamatoa LALAONIRINA Zaïèlle, Sekiretera Jeneraly teo aloha, sy Andriamatoa ANDRIAMBOAVONJY Randriatahina Oniniaina, Sekiretera Jeneraly vaovao.
Tamin’ny fo feno finiavana hampandroso sy hikaroka ny mahasoa ny Faritra Mahatsiatra Ambony no nifampitsofan-drano sy nifampisaorana tao anatin’izao famindram-pitantanana izao na hoan’ny nahavita ny adidiny na hoan’ny nandray ny fitantanana.
Ramatoa LALAONIRINA Zaïèlle, tamin’ny fandraisam-pitenenana nataony, dia nirary soa ny SG vaovao mba hahaleo hahalasana amin’ny andraikitra vaovao izay ho sahaniny ary nirary ihany koa ny hitohizan’ny ainga vaovao entin’ny Fitondram-panjakana ankehitriny manome vahana ny Vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana amin’ny alalan’ny fampitaovana sy ny fanohanana ara-bola, mba hametrahana ny Fitsinjaram-pahefana tena izy ka hisian’ny fampandrosoana miainga aty ifotony.
Nanatrika sy nanome voninahitra ny fotoana ny Goverinoran’ny Faritra Mahatsiatra Ambony sy ireo Tale mpiara-miasa ato amin’ny Biraon’ny Faritra Mahatsiatra Ambony.
Ny Goverinoran’ny Faritra Mahatsiatra Ambony manokana dia naneho ny faniriany ny hitohizan’ny fiara-miasa amin-dRamatoa LALAONIRINA Zaïèlle ho amin’ny fampandrosoana ny Faritra Matsiatra Ambony noho ny traik’efa ananany sy ny zava-bitany teto amin’ny Faritra nandritra izay ampolo taonany izay.
« ‘ZAY SOA RAHA ATAO RO MIVOATSA »